Hebrews 5

1Fa ny mpisoronabe rehetra, voafidy avy tamin’ny olona, dia notendrena mba hiasa amin’ny anaran’ny olona amin’ireo zavatra mahakasika an’ Andriamanitra, ka mba hanolorany fanomezana sy fanatitra ho an’ny ota. 2Izy dia afaka mifanaraka mora amin’ny tsy mahalala sy ny maniasia satria izy tenany ihany koa dia voadidin’ny fahalemena. 3Noho izany, izy ihany koa dia notakiana hanolotra sorona ho an’ireo otany manokana, tahaka ny nataony ho an’ireo otan’ny olona.

4Tsy ho an’ny tenany no handraisan’ny olona izany voninahitra izany. Fa kosa, izy dia nantsoin’ Andriamanitra, tahaka an’i Arona. 5Dia toy izany, Kristy tsy mba nanome haja ny tenany mihintsy tamin’ny fanaovany ny tenany ho mpisoronabe. Fa kosa, ilay iray izay niresaka taminy niteny hoe: “Zanako Ianao; anio dia tonga Rainao Aho.”

6Toy izany ihany koa no nolazainy tany amin’ny toeran-kafa hoe: “Ianao dia mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkizedeka.”

7Nandritr’ireo andron’ny nofony, Kristy nanolotra vavaka sy fangatahana niaraka tamin’ny hiaka mafy sy ranomaso an’Andriamanitra, ilay iray izay afaka mamonjy Azy amin’ny fahafatesana. Re Izy nohon’ny fangorahany. 8Na dia zanaka aza Izy, dia nianatra fankatoavana tamin’ireo zavatra izay niaretany.

9Natao ho tonga lafatra Izy ka tonga, ho an’ny olona rehetra izay mankatoa Azy, ilay loharanon’ny famonjena mandrakizay. 10Dia notendren’ Andriamanitra tahaka ny mpisoronabe Izy araka ny fomban’i Melkizedeka. 11Manan-kambara betsaka momban’i Jesosy izahay, fa sarotra ny manazava izany hatramin’ny naha-lalindalovana ny fandrenesanareo.

12Fa amin’izao fotoana izao dia tokony ho mpampianatra ianareo, ianareo dia mbola mila olona hampianatra anareo ireo fitsipika fototry ny hafatr’Andriamanitra. Ronono no ilainareo, fa tsy ventin-tsakafo! 13Fa ny olona izay misotro ronono fotsiny dia tsy ampy traikefa amin’ny hafatry ny fahamarinana, satria izy dia mbola zaza kely. Fa ny ventin-tsakafo dia ho an’ireo lehibe. Ireo dia izay voahofana tamin’ny fanavahana ny tsara amin’ny ratsy ny fahatakarany noho’ny fahamatoran’izy ireo.

14

Copyright information for PltULB